|
|
|
|

Teny iditra1  hono
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny atao eny afovoan' ny teny lazaina na mamarana azy ka enti-milaza fa mpamerina fotsiny izay voalaza ny tena ary tsy tompon' antoka amin' ny fahamarinany: Manavy, hono, Rakoto, ka tsy tonga niasa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 they say [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 on dit [1.3, 1.8]
6 dit-on [1.3]
Ohatra  7  Iza avy, hono, no mba ory? [2.285]
8  dia gaga, hono, izy roa vavy. [2.293]
9  Avy any Arabia, hono, ny fiaviany. [2.117]
10  Izany Iarivo izany, hono, ka malama maina. [2.499]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :

Fivaditsoratra  hono, 15 no ho, noho

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21