|
|
|
|

Teny iditra1  fitroarana
Fototeny  2 troatra
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fialana tampoka amin' izay misy ny tena noho ny hatairana: Ohatra ny tselatra ny fitroaran-dRabe nahita ny zanany kely nilalao tery amorontevana
5 Fahatairana biby tampoka ka mahatonga azy handrifatra: Vaky tady Isambilo nahita ny fitroaran' ilay omby
6 Hatezerana, fahatezerana: Tsy nahateny Rasoa noho ny fitroaran-dRakoto vadiny [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12