|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Dona-tsetroka |
| Singan-teny | 2donaka, 3setroka |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6Andriarimalala René |
| Lahatsiratra manontolo |
7 Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka 8 Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha, 9 Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka , 10 Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha. 11 Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina 12 Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina. 13 Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina 14 Anefa toa azo sary ny fikenony maraina. 15 Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny 16 Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny, 17 Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra… 18 Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko 19 Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko 20 Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra... |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13 |
|