|
|
|
|

Teny iditra1 Antsam-pitiavana
Singan-teny  2antsa, 3fitiavana
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  7 Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
8 Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
9 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
10 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !

11 Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
12 Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
13 Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
14 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !

15 Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
16 Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
17 Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !

18 Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
19 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
20 Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13