Explications en malgache | Manana fironana na firaiketana amin-javatra na olona iray: Tia an' io saka io izaitsizy i Naivo ¶ Mahatsiaro ho voasintona tsy hisaraka aman' olona iray, izay na ho an-tena, hasian-tsoa ary hahafoizan-javatra na hahafoizan-tena mihitsy aza: Tsy misy tsy tia ny zanany, na ny biby aza ¶ Mahatsiaro hafinaretana amin-javatra iray: Tia hira malahelohelo ny zandriko / Tia ny mitsangantsangana eny amoron-dranomasina izy ¶ Mahazoazo, mankafy: Tia akondro fatratra Rangahy vadin-dRazanany [1.1]
|