|
|
|
|

Teny iditra1 mivadika
Fototeny  2vadika
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo.
5Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana.
6Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary.
7Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro.
8Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra.
9Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha. [1.1]
Haiendriteny 
10 Ny ankehitriny :
11 Ny lasa :
12 Ny hoavy :
13 Filaza mandidy :
Mpanahaka  14 maladyofana, 15 manaotsimbadiboanampotsy, 16 manaotsimbadikamponga, 17 mangalabelirano, 18 miodina, 19 miovafenitra, 20 miroalela, 21 mitsoapahana, 22 mitsoakanytenynatao, 23 mitsoakaorimbato, 24 mivadibadikatoalelamay
Kamban-teny rehetra  25Fikambanana 27 amin' io teny io
Ohabolana  26 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09