Entrée mavesatra (vesatra)
Partie du discours adjectif
Explications en malgache Be lanja manindry mafy: Entana mavesatra
Mitovy hevitra: mazefatra ~ mitondra rano ~ mitsinaka
¶ Mihoninkonina, tsy kinga, milondolondo: Mavesatra ery izany famindranao izany
¶ manelonelo: Mavesatra ny andohako
¶ Dombo, donto, tsy mailaka: Mavesa-tsaina izany raha olona
Mitovy hevitra: madonda ~ mafonja ~ manònja ~ maonjana ~ mazefatra ~ mitambaby ~ mitambesatra ~ tsy zakan' olo-mahia [1.1]
Explications en anglais heavy [1.7]
Explications en français lourd, pesant [1.3, 1.8]
 lourdement chargé [1.3]
Morphologie 
Présent mavesatra, mavesa-
Passé navesatra, navesa-
Futur havesatra, havesa-
Dérivés 
Exemples 
1Tsotra sy mavesatra anefa ny teniny: [2.470]
2Izahay mpamory fotsiny ihany, ary mpanainga mavesatra. [2.298]
3Endrika mavesatra anefa no namalian' i Donga izany fandraisana azy izany. [2.472]
4Nandritra ny taona maro, nihevitra izy ho hany irery vavolombelon' io tsiambarambara mavesatra io. [2.576]
Proverbes 

Entrée mavesatra (vesatra)
Partie du discours adjectif
Explications en malgache Bevohoka: Mavesatra izy fa omeo toerana [1.1]
Explications en français enceinte [1.3]

Entrée mavesatra (vesatra)
Partie du discours adjectif
Explications en malgache sady lehibe no manahirana, sarotra entina: Mavesatra ny mitondra fanjakana [1.1]
Explications en français pénible, intolérable, cuisant
¶ de grand prix, de grande valeur [1.3]

Mis à jour le 2020/07/31