Entrée |
boiboika
|
Partie du discours | nom
|
Explications en malgache | Aretina tsy fantatry ny natolo mazava. Araka ny diksionera Richardson sy Malzac
dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io.
Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty,
no fiandohany, ka nahazoany ny anarany. -- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny
Tantaran' Andriana (P. Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny.
-- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana
matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra
faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita.
-- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy
ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity.
Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na
mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo. [1.10]
|
| Vay, fery maharitra ary manitatra
[1.1]
|
Explications en anglais | A foul protuberant ulcer. [1.2]
|
Explications en français | Ulcère [1.3, 1.54]
|
| Abcès, tumeur scrofuleuse [1.3]
|
Exemples | izao kosa no karazan' aretina boiboika.
[2.48]
|
Vocabulaire |
Dérivés |
|
Entrée |
boiboika
(boika)
|
Partie du discours | nom
|
Explications en malgache | Fipoitra sy fivoaka mitsitapitapy, nefa tsy an-kijanona, toy ny rano avy amin' ny loharano
na ny vava-tavohangy, ets. [1.10]
|
| Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin' ny tany na ny tena, fifantsitsirana [1.1]
|
Explications en anglais | The bubbling or gurgling, as water in a spring. [1.2]
|
| A bubbling up; a gurgling sound [1.7]
|
Explications en français | [duplicatif fréquentatif] [1.3]
|
| Action de jaillir; bruit du jaillissement [1.8]
|
Dérivés |
Synonymes | ~ |
|