| Fanazavàna teny malagasy  | 
3  - Ny fiainany.
  Teraka tao Ambodihady Ambohimanarina izy ny 12 Janoary 1916. Zanak’Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray. Manambady an-dRamatoa Razanadrasoa ary 11 no isan’ny zanany.   - Ny Sekoly nianarany.
  1922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.   1924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.   1926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.   1931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.   1935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.   1937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo.   - Ny asa nataony.
  1939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina. Ecole de Station LMS.   1940- 1941 : Nafindra nampianatra tao Ambatonakanga LMS.   1941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.   1942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy. 1946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo. 1950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.   1971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa. 1973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.   1974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.   1980-1981 : Nisotro ronono.   - Ny Asa Sorany Nanoratra.
  Ny Sikajin’i Dadabe,  Voromby,  Isa ny Amontana,  Sekolin ’ny Ntaolo.   Ny tena ahafantarana azy dia ny tantara foronina. Nisy koa anefa dikan-teny nahakinga azy toy ny : Et il habita parmi nous izay nadikany hoe : Ary izy niara-nonina tamintsika. Tsotra, mazava, mahaliana ny asa sorany. 
   [5.mg.http://www.macp.gov.mg/blog/divers-randriamiadanarivo/] 
  |