| Lahatsoratra |
5 - Izaho saonjo ery an-dohasaha, ianao tatamo ery an-kamory:mihefa ny eny mba mihefa aho, tony ny eny mba tony aho.Tsy fitia latsaka ny anay ka hanambatambazana mpitsimpona;tsy tanora diso zara ka hanohina maso-mpijery.Fa zaza mitovy tsy mifandrangatrano iray lenta tsy mifaniva;tia ny any miara-tia, tsy tia ny any miara-mianjona.
6 - Ny fitiavana, rahavako, tsy tsipy rano miamboho ka ifanadidiavana;tsy lahi-mizana ratsy tefy ka hitongilana hiletsy ila;fa tia aho matoa manoloana, vonona aho matoa sahy lanja.Ratany: Rahahiringiringy ho tendrombohitra anefa ianao, dia hamitsaka aho fa iva;ratany: ratanyraha hitsoroadroaka ho hazo avo ianao, hikainkona aho fa fohy sandry.Fa ratany: ratanyraha mba hanao fitia mifandefitra, dia tsy aiza aho fa fandrotrarana misafosafo amin'ny tany;ratany: ratanyraha dobo mora tsobohina, dia fandiorano tsy mahafoy tany hita aho ka hilentika aminao feritra.
|