| Fanazavàna teny malagasy |
3 - Ny fiainany.
4 Teraka tao Ambodihady Ambohimanarina izy ny 12 Janoary 1916. Zanak’Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray. Manambady an-dRamatoa Razanadrasoa ary 11 no isan’ny zanany. - Ny Sekoly nianarany.
5 1922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.
6 1924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.
7 1926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.
8 1931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.
9 1935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.
10 1937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo. - Ny asa nataony.
11 1939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina. Ecole de Station LMS.
12 1940- 1941 : Nafindra nampianatra tao Ambatonakanga LMS.
13 1941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.
14 1942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy. 1946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo. 1950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.
15 1971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa. 1973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.
16 1974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.
17 1980-1981 : Nisotro ronono. - Ny Asa Sorany Nanoratra.
18 Ny Sikajin’i Dadabe,
19 Voromby,
20 Isa ny Amontana,
21 Sekolin ’ny Ntaolo. Ny tena ahafantarana azy dia ny tantara foronina. Nisy koa anefa dikan-teny nahakinga azy toy ny : Et il habita parmi nous izay nadikany hoe : Ary izy niara-nonina tamintsika. Tsotra, mazava, mahaliana ny asa sorany.
22
[5.mg.http://www.macp.gov.mg/blog/divers-randriamiadanarivo/]
|