Entrée Ilay dobo
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Razafintsalama Josefa
Texte 
Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
ny morony tontolo, zozoro manga taho;
anivony, tatamo mivela-bony soa;
ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho

He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
vivy no miria eo fa miery tsimilaho.
He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,

fa laokan-drano maro no ao mihahohaho:
amalona sy trondro, mangata-koalaina;
ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;

tsindrahaka mitady izay olona mpitia;
irony ondrindrano, antsirina aman-toho
mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria
dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.

lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa;
ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro;
ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa;
miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/04/02