|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ambany atsimo
Singan-teny  2 ambany, 3 atsimo
Sokajin-teny  4  kambanteny
Ohatra  5  avy any ambany atsimo: "Vonjeo e! [2.445#83]
6  Nokatrohan' izy telo lahy ny tanimbary ao ambany atsimo ka vita vetivety foana [1.1]
7  Nony teo ambany atsimon' ny tanànan' Anahimalemy dia nialana ny fiarakodia rehetra. [2.356#87]
8  Omby iray no anay taty an-tanàna fa ny sisa dia nozarain-dry zareo tao ambany atsimo. [2.643#24]
9  Nazava dia nazava ny alina tamin'izay ary nangina dia nangina, ka tsy nisy zavatra re afa-tsy ny fisiaky ny ahitra sy ny fimonomonon'ilay renirano kely tao ambany atsimo nifangaro tamin'ny feon'ny tamotamo [2.324]
10  [Ikopa] ... renirano lehibe eto Imerina, miandoha ao avaratra-atsinanan' i Manjakandriana, dia mandalo eo ambany atsimon' Antananarivo [1.10]
Mpanahaka  11  ambanyandrefana, 12  ambanyatsinanana, 13  ambanyavaratra

Teny iditra (2/2)14  Ambany Atsimo
Sokajin-teny  15  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Ohatra  16  Zazalahy mbola vao folo taona monja no nampikaikaika ireo mponina tao amin'ny fokontany Ambany Atsimo [4.14]

Fivaditsoratra  Ambany Atsimo, ambany atsimo

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21