[any ankoa] tra dia tsy fantany, fa ny ho toetry ny mpamosavy ihany no lazainy kely, fa hitafy vorifotsy ratsy sy lamba maloto ireo, ka mahatahotra hono raha hita. 

Toko XI : Farany

Izany ary ny amin'ny finoanay Bara ka raha atao amboarany iray izany dia izao :

1: Raha ny amin'ny fivavahana monotheisma no dinihina dia mba mahatazana ny alony kely izahay noho ireo sasany, fa manaiky Ilay Andriamanitra tokana izahay, izay ataonay hoe : Ndriananahary nahary tongotra aman-tànana, ambonin’ny zavatra rehetra na ny any an-danitra na ny ety an-tany . Nefa tsy lavinay fa voatokonan’ny fivavahana amin'ny razana sy ny vato aman-kazo be loatra izahay ka tsy mahita izay tena izy mazava .