Index

Proverbes : lokanga

Proverbe 1Lokanga hisatra. [2.415 #2716]
Lokanga hisatra: tapaka andro nanaovana. [2.653 #1376, 1.1]
Lokanga hisatra, tapaka andro nanaovana azy. [2.558 #129]
Tapaka andro nanaovana toa lokanga hisatra. [1.62]
Interprétation malgacheEnti-milaza zavatra tsara fa tsy maharitra. [1.1]
Enti-milaza zavatra tsy mateza, tsy maharitra hafiriana rehefa ampiasaina na dia tsara aza ny bikabikany ivelany. [1.62]
Traduction françaiseCe qui est beau et agréable est souvent fragile, comme l' instrument de musique que les enfants fabriquent avec l' écorce des joncs et dont ils s' amusent en pinçant les cordes. [2.415]

Proverbe 2Lokanga tsy atao ka hoe lehibe ny voatavo. [1.62]
Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo. [1.1]
Interprétation malgacheAsaina mitendry lokanga voatavo dia mahita fialan-tsiny tsy hanaovana ka mody manao hoe lehibe loatra ny voatavon' io lokanga io ka tsy haiko na manahirana ahy ny mitendry azy. [1.62]
Milaza ho tsy mahavita zavatra iray niangaviana azy, kanefa te hoderaina indray ka miteniteny momba ny fanaovana an' io zavatra io. [1.1]
Tsy fahaizana na tsy fetezana hanao izay asaina hatao dia mody mamoron-kevitra haniniana an' izay zavatra asaina atao. [1.62]
Tsy manao ny tena ka mahay milaza erý hoe toy izao sy toy izao. [1.1]

Index