Index

Proverbes : ialofana

Proverbe Anaovana aro riaka raha maina andro, hialofana raha fahavaratra. [Rinara 1974 #204]
Anaovana aro riaka raha main’ andro: ny tahotry ny ho lena fahavaratra. [Cousins 1871 #164]
Ny anaovako aro riaka raha main' andro, ialofako raha fahavaratra. [Rinara 1974 #185]
Ny anaovana aro riaka main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Cousins 1871 #2152, Nicol 1935 #224]
Ny anaovana aro riaka raha maina andro, tahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Rajemisa 1985]
Ny anaovana aro-riaka raha main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Houlder 1895 #1267]
Interprétation malgache Enti-milaza fahamalinana sy fitsiniovana ny ho avy. [Rajemisa 1985]
Traduction française C’est pendant le beau temps qu’on se prémunit contre les ondées de l’orage. [Nicol 1935 #224]
Si l' on construit des digues pendant la saison sèche, c' est parce qu' on craint l' eau qui viendra en été. [Houlder 1895]
Interprétation française Se dit de toute précaution ou mesure qu' on prend en vue de l' avenir. [Houlder 1895]

Proverbe Trano atsimo sy avaratra: izay tsy mahalena ialofana. [Cousins 1871 #3266]
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana. [Rinara 1974, Rajemisa 1985]
Trano atsimo sy avaratra: ka izay tsy mahalena ialofana. [Houlder 1895 #268]
Interprétation malgache Enti-milaza ny fifanampian' ny mpifanolobody rindrina. [Rajemisa 1985]
Traduction française Une maison au sud et une au nord (rapprochées l' une de l' autre); on s' abrite sous celle qui ne coule pas. [Houlder 1895]

Index