<-
->

2M 9:4 Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliana ny fanaikan' ireo nanery azy handositra amin' ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikoiny handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin' ny famalian' ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan' ny Jody io tanàna io. Transporté de fureur, il pensait faire payer aux Juifs l' injure de ceux qui l' avaient mis en fuite et, pour ce motif, il ordonna au conducteur de pousser son char sans s' arrêter jusqu' au terme du voyage. Mais déjà il était accompagné par la sentence du Ciel. Il avait dit en effet, dans son orgueil "Arrivé à Jérusalem, je ferai de cette ville la fosse commune des Juifs."