<-
->

Est 13:3 Ka dia nanontaniako tamin' ireo mpanolo-tsaina ahy, izay azo atao hahatanteraka izany zava-kendreko izany; ary ny iray tamin' izy ireo atao hoe Amanà, izay be fahendrena indrindra eto aminay, sady efa malaza noho ny fahafoizan-tenany tsy mety miova sy ny firaiketam-pony aminay tsy mahay mivadika, ary mahazo ny laharana faharoa amin' ny fanjakana.